<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ireo didinao, Jehovah Ray FFPM484</title>
<lyrics>[V1]
 Ireo didinao, Jehovah Ray ;
 Izay tianao hankatoavinay
 Dia rehareha sy voninahitra,
 Satria filamatry ny ao
 an-danitra.
 Ilaina mba hiseho fa tsy hiery,
 Ho fisintonana ireo izay very,
 Fa antoky ny fiainanay,
 Hatramin'izao, mandrakizay.

[V2]
 Ny fitsipikao, Tomponay
 Izay nomenao mba
 harahinay,
 Dia mampifantina izay anjara
 soa
 Ka manamboatra sy
 manatsara,
 Mampisy endrika itony tena
 Sy manazava ny firenena,
 Ka antoky ny fiainanay,
 Hatramin'izao, mandrakizay.

[V3]
 Ireo teninao, Jesosinay
 No hany zavatra ivelomanay,
 Fa tanjaka tokoa, tena hery be
 Hahafahanay ny lalana
 mideza re,
 Sakafo mahavelona ny aina,
 Sy mampiravo tokoa ny saina,
 Tena antoky ny fiainanay,
 Hatramin'izao, mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>484</hymn_number>
</song>